Etats-Unis : Very ny antsasaky ny fananan’i Mark Zuckerberg
Nihemotra eo amin’ny toerana faha-20 amin’ny olona manan-kareny indrindra eran-tany i Mark Zuckerberg raha teo amin’ny laharana faha-6 teo aloha. Very 71 000 tapitrisa Dollars izy tao anatin’ny volana vitsivitsy.
Raha ny fanazavan’ny Blommberg dia ny fironan’io lehiben’ny Meta Platforms Inc tamin’ny Metavers no anton’izany fihenan’ny vola eo am-pelantanany izany. Nampitontongana ny « actions » an’ny Meta izany, izay nahatratra 382 dollars ny taon-dasa ary lasa 146,18 dollars amin’izao fotoana.
Nihaiky ny vondrona Meta fa misedra olana izy ireo. Nihena ny mpampiasa ny tamba-jotra Facebook tamin’ny volana Febroary ka very 31 000 tapitrisa dollars tao anatin’iray andro i Mark Zuckerberg. Hatramin’ny niforonan’ny orinasany ihany koa dia izay vao nihena 1% ny « chiffre d’affaires » tao anatin’ny telovolana faharoa 2022.
