ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tsara ny vokatra ho an’ny lalao voalohany nandritra ny « Tournoi Open coupe omby”

Tsara ny valin’ny lalao nandritra ny fiodinana voalohany tamin’ny Tournoi Open Coupe Omby izay natao tao amin’ny kianja Andohalo, fokontany Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, tamin’ny alahady lasa teo. Ho an’ny ekipan’ny Dakar FC manokana, izay nandresy tamin’ny isa 4 no 0, hita avokoa ny fahaiza-manaon’ny ekipa nandritra ny lalao.

« Hita avokoa ny lenta sy ny fahaiza-milalaon’ireo ekipa nandritra ny lalao. Raha jerena ny ara-batana, somary mbola kely ireo mpilalao raha noharina tamin’ny mpifaninana hafa kanefa nahay, nahafehy ny lalao hatramin’ny farany » hoy i Niaina, mpanohana.

« Rehefa tsara fanomanana ny ekipa mpilalao ka manaraka ireo toromarika omen’ny mpanazatra dia azo antoka hatrany ny valin’ny lalao. Tsy tokony atao ambanin’javatra ireo teknika sy ny fitsipika omen’ny mpanazatra ireo » hoy ny mpilalao.

Tsy ny hakelin’ny mpilalao tokoa no jerena rehefa ao anatin’ny fifaninana fa ny tanjaka sy ny fahaiza-milalaon’ny ekipa. Rehefa tsara fanomanana tokoa dia tsy ho very maina ny ezaka atao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire