ActualitésTsidika

ESPBIG: Miakatra hatrany ny lentan’ny fampianarana  ao amin’ny ivon-toerana

Niova ho ESPBIG digital school ny ivon-toeram-panofanana arak’asa ESPBIG. Nandritra ny 30 taona nisian’ny ivon-toerana, maro ireo traikefa hita sy fivoarana ary mitombo lenta hatrany ity toeram-piofanana misehatra manokana amin’ny informatique ity.

“Nandritra izay fotoana nijoronan’ny ESPBIG izay, izay nanomboka tamin’ny taona 80 tany ho any, maro ireo zava-tsoa sy vokatra hita tao anatin’ny tontolon’ny fampianarana informatique. Araka ny fivoaran’ny teknolojia efa hita amin’izao fotoana, mahazo vahana ary mivoatra be ny tontolon’ny teknolojia ka izay no anisan’ny nitondrana fanavaozana ny ivon-toeram-panofanana” hoy i RAVAOHOLISOA Dorette, mpamorona ny ESPBIG.

“Ny zava-baovao entin’ny ESPBIG voalohany indrindra dia ny fanamafisana ny traikefa efa nisy teo aloha, indrindra ny fanamafisana ny autonomisation eo amin’ireo mpianatra, ka izay no fototra ampitaina dieny taona voalohany ato amin’ny ivon-toerana. Manaraka izany dia ny fanorona ny ankizy (orientation) any amin’ny famolavolana tetikasa araka ny safidy tiany ary farany izay zava-dehibe dia ny resaka fampivoarana mahaolona sy ny entrepreunariat” hoy hatrany ny fanazavana.

Ny ivon-toerana ESPBIG moa dia anisan’ny iray amin’ireo ivon-toerana mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fampiofanana ny taranja informatique raha eto amintsika. Hatramin’izay 30 taona nisiany izay, efa mahatratra hatramin’ny 2000 isa ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ivon-toerana ary mitana andraikitra ambony amin’ny sehatry ny communication, medias, gestion sy ny MTIC

Manitra R.

Laisser un commentaire