Tolagnaro : Misy ny asa tana-maro noho ny fikisahan’ ny tangorom-pasika eny amin’ny morontsiraka
Misy ny asa tana-maro ao amin’ny kaominina Tolagnaro ny herinandro lasa teo, ary mbola mitohy hatrany. Tsiahivina fa efa maro ihany koa ireo kaominina no nanao hetsika toy izany.
Noho ny fikisahan’ ny tangorom-pasika eny amin’ny morontsiraky ny Fokontany Amparihy dia tapaky ny komity Tagnamaro ao amin’ny Distrikan’ny Tôlagnaro fa ny fambolena lalanda miisa 500 sy zana-kazo filao 200 no hatao mandritra ny hetsika Tagnamaro volana Aogositra.
Marihina fa natao izao hetsika izao mba hijanonan’ny fandrosoan’ny tangorom-pasika ety amin’ny tanety, ary ihany koa isoroana ny loza mety ho haterak’izany. Tokony arovana hatrany tonrolo iainana.
Famenontsoa Rajerison
