28 may : Andro maneran-tany ho an’ny lamboraha
Ny 28 may no andro natokana iraisam-pirenena ho an’ny lamboraha na ny « dugong ». Biby mivelona an-dranomasina izy io izay hita amin’ny ranomasimbe Indianina sy Ranomasimbe Pacifique andrefana ary ao amin’ny ranomasina mena. Mirefy 3 hatramin’ny 4 metatra ny Lamboraha ary mahatratra hatarmin’ny 500 kg ka mihinana sakafo 30 hatramin’ny 40 kg isan’andro. Efa atahorana ho lany tamingana noho ireo tsindry miatraika aminy na voajanahary izany na noho ny ataon’ny olombelona ny lamboraha. Efa vitsy ireo fari-dranomasina ahitana azy fa isan’ny mbola misy azy ny ao amin’ny fari-dranomasin’i Nosy Hara any amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara. Ahi-dranomasina no sakafony ary mandray anjara feno amin’ny fanatsarana rohipiainan’ireo ahi-dranomasina ireo izy amin’ny alalan’ny fomba fisakafoanany izay mampitombo haingana ny ahi-dranomasina. Mitera-batana ny lambohara ary mampinono (mammifère aquatique), maharitra 70 taona eo ho eo ny fepotoam-pahavelomany. Biby isan’ny harena an-dranomasina izy araka izany kanefa mety ho lany tamingana noho ny asa fandotoana ny ranomasina ataontsika olombelona. Koa samia miaro azy ireny amin’ny tsy fanaovana hetsika mety hahalany mamingana azy, aoka tsy handoto ny ranomasina araka izany.
Nicole Rafalimananjara
