Port Bergé : Zazavavy 12 taona nobedesina, tsy fantatra izay misy azy
Tsy hita nanomboka ny 1 Martsa tamin’ny 5 ora maraina i Gergette Marie Jocelyne, antsoina hoe « Sylla », avy any Port Bergé. Ny fibedesana azy noho ny hadisoana nataony no nahatonga azy niala tao amin’ny trano fonenany.
« Zazavavy 12 taona i Sylla. Tsy fantatra izay misy azy ankehitriny. Manao antso avo ho an’izay mahita azy izahay » hoy ny solotenam-panjakana ao Port Bergé. « Nilaza handeha any Mampikony izy taorian’ny fibesana azy. Mitaintaina fatratra aho fa tsy fantatra izay misy azy amin’izao » hoy ny renibeny, izay mitaiza azy.
Mila ny fanampian’ny rehetra manam-baovao mikasika azy noho izany ny fianakaviana. Mamy tokoa ny zanaka ary tsy misy ray aman-dreny mahafoy zanaka fa ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny.
Nicole Rafalimananjara
