Mpiasan’ny haino aman-jery notolorana mari-boninahi-pirenena
02 Martsa, 08h00. Mpanentana fandaharana sy teknisianina malagasy miisa 53 no nahazo mari-boninahi-pirenena avy amin’ny ministeran’ny seraser sy ny kolotsaina. 46 mianadahy no tonga nanatrika ny lanonana fanolorana izany, omaly tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Avy amin’ny haino aman-jery samihafa izy ireo. 40 taona niseharana tamin’ny haino aman-jery ny zokiny indrindra tamin’ireo, raha toa ka 12 taona niseharana tamin’izany ny zandriny indrindra.
