Dépêches

Mpandraharahan’ny fonja voarohirohy ho nampitsoaka gadra tany Betroka

02 Aogositra, 08h25. Mpandraharahan’ny fonja iray nampidirina am-ponja vonjimaika no sady naato tamin’ny asany. Iray hafa natsahatra tamin’ny asany amin’ny maha mpandraharahan’ny fonja azy, noho ny fanomezan-dàlana hamoaka ireo voafonja telolahy tamin’ny 16 jolay lasa teo tao Betroka. Voaheloka mandrampahafatiny moa ireto farany noho ny raharaha famonoana ho faty ny solombavambahoaka teo aloha tao Amboasary Atsimo, tamin’ny 2013 tao Tsivory. Raha ny vaovao azo dia navoaka ny fonja izy telolahy ireo mba hanatanteraka asa ivelan’ny fonja nisy azy no nanararaotra nandositra, ary mbola tsy hita hatramin’izao. Nahetsika avokoa ireo mpitandro filaminana misy ao Betroka hikaroka azy ireo araka ny lalàna.

Laisser un commentaire