Solika : Fahataran’ny fahatongavan’ny sambo no antony mampisy ny filaharana solika
09 Aogositra, 14h05, Andrasana androany talata 09 aogositra ka hatramin’ny rahampitso alarobia ny fahatongavan’ny sambo mitondra ny solika (lasantsy sy gasoil) ao Toamasina. Ny fitsitsiana ny solika misy eny amin’ireo tobin-tsolika isorohana ny fahalaniany tanteraka no antony mahatonga ny filaharana eny amin’ny mpamatsy solika, hita teto Antananarivo, Antsirabe ary I Fianarantsoa, na dia misy aza ireo fiara lehibe mitatitra solika isanandro, hoy ny fanavazana nataon’ny Ofisy malagasin’ny akoran’afo na OMH.
