Alaotra : Mpanakanto iray niharan’ny vono rehefa nitaky ny karamany
25 Aogositra, 16h00, Mpanakanto iray no novonoin’ny mpikarakara lanonana niantso azy rehefa nitaky ny karamany taorian’ny fampisehoaa izay nataony, tao amin’ny kaominina Ampasikely, Alaotra ny faran’ny heinandro lasa teo. Nisy ny fifanarahana nataon’ny roa tonta talohan’ny fanatanterahana ny seho saingy teo am-piandrasana ny fanefana ny karaman’ilay mpanakanto avy ao an-toerana no nisy fikasiha-tanana niampy ompa sy teny ratsy araka ny fanazavana. Hatramin’izao fotoana izao no voalaza fa tsy mbola voarain’ilay mpanakanto ny valin-kasasarany.
