ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Hisy ny lalao ampahefa-dalana U13

Hisy ny lalao baolina kitra ampahefa-dàlana U13 amin’ny asabotsy ho avy izao. Natao izany hetsika izany ho fanombohana ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny RLA. Ao amin’ny kianja Anosy avaratra moa no hanantanterahana izany fifaninana izany.

Maro ireo ekipa anjara anjara, hanokatra izany lalao izany ny ekipan’ny JSA ankadikely sy ny H+ sabotsy Namehana, ho tohizan’ny TFC sabotsy namehana sy Railovy Anosy Avaratra izany lalao izany, athletico sy UFA samy avy ao sabotsy namehana avy eo, Bocca sabotsy namehana sy AMI Ankazomanga kosa ny manaraka ary farananan’ny ekipan’ny RLA zokiny sy ny Railovy U20. Manomboka amin’ny 09 ora maraina moa ny lalao voalohany ay amin’ny 1 ora sy sasany folak’andro kosa ny lalao farany.

Entanina hatrany ny tanora hazoto handray anjara amin’ny resaka fanantanjahan-tena.

#sary fanehoana

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire