« Tsy maintsy ho esorina i Nicolas Dupuis », hoy ny FMF
Nahomby sy tena nahafaly ny Malagasy tsy an-kanavaka ny vokatra tsara nataon’ny Barea ny CAN 2019 lasa teo. Tsy ireny ekipa ireny ihany anefa no tena niezaka fa ny mpanazatra koa no tena tao ambadika, Nicolas Dupuis izay isan’ny mpanazatra ny Barea voalohany nitondra azy ireo hatrany amin’ny ampahaefa-dalana nandritra iny CAN iny. Isan’ireo nampiakatra an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izany ka tafiditra anatin’ireo 100 mendrika indrindra maneran-tany ary faha 25 aty Afrika. Ankehitriny anefa, tojo tsy fahombiazana ny ekipa, tsy hanaiky ny hijanonan’i Nicolas ho mpanazatra ny Barea intsony ny Federasiona Baolina Kitra Malagasy na ny FMF ary ihany koa ireo mpiara-miasa aminy rehetra anatin’ny Barea. Teo ny tsy nahatafakantsika tamin’ny CAN 2022 ary teo ihany koa ny fampidirana Staff tsy nankatoavin’ny FMF indrindra ihany koa ny fidirana tamin’ny fanafarana equipement tsy nahazoana alalana tamin’izy ireo. Ny fifanarahana vita sonia teo amin’ny FMF sy Dupuis anefa mbola amin’ny 2023 no farany ka tsy maintsy ho jerena ny fifanarahana azo atao. Nilaza ny Federasiôna fa izy ireo ihany no tompon-teny farany momba ny Barea. Hanao ahoana ny mety ho tohin’ny tantara ? Hiala amin’ny toerany tokoa ve i Nicolas Dupuis sy ireo namany mpiara-miasa aminy ? Hanaiky izany ve ireo mpilalao ao anatiny ?
Nicole Rafalimananjara
