SocialTsidika

Ambohimangakely : Tratra tsy nanara-dalàna ny rangahy iray nilaza ho fianakavian’ny Jeneraly

Mitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny tsirairay, ka na iza iza na fianakavian’iza na iza dia eo ambanin’ny lalàna daholo. Afaka mampihatra izany avokoa ny seham-panjakana manerana ny nosy indrindra ny Zandarimaria manoloana ny fandikan-dalàna. Ny harivan’ny 23 aprily lasa teo izao tany Ambodivoara Ambohimangakely, lehilahy mpamily mamo ka nosamborina na dia nilaza fa fianakavian’ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ary mbola miampy fanimbazimbana ny zandary manao an-tsakany sy an-davany ny asany. Tsy maintsy nandray ny andraikiny nanoloana izany ny Kapiteny Kaomandin’ny vodron-tobim-paritry ny Zandarimaria Antananarivo-Renivohitra ary nampanokatra famotorana sy nampihatra ny lalàna velona. Ny Jeneraly lazainy fa fianakaviany sy ny kaomandin’ny zandarimaria rahateo efa nnaome toro-marika manokana amin’ny fampiharana ny lalàna manoloana ny tranga toy izao ary atolotra ny fitsarana avy eo rehefa vita ny famotorana. Mandroso ny firenena raha tena tsy asiana fanavakavahana tokoa ny manoloana ny lalàna, ary ho resy manaraka iznay ihany koa ny kolikoly. Tsy mifidy sehatra ny fampiharana ny lalàna ka tokony ho hita foana n’aiza n’aiza fa tany tàn-dalana i Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire