SocialTsidika

Mbola mampitaraina ny vahoaka Malagasy ve ny vidim-bary ?

Nangina tatoato ny fimenomenoman’ny mponina mahakasika ny vidim-bary. Tsy manahirana ny maro intsony ve ny vidim-bary sa efa zary lasa fiainana an-davanandron’ny mponina ihany koa ka tsy mahataitra azy ireo intsony. Tsiahivina fa nandritra ireny fotoana ireny, nisy ihany ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tananatamin’ny fanetsehana ireo ratsa-mangaikany manerana ny nosy, tamin’ny fitsirihana ny vidin’entana sy ny fanaraha-maso ny tahirin’entana tany amin’ireo mpamongady manerana an’i Madagasikara. Saingy tsy naharitra ela io fotoana io ka miverina amin’ny fampiakarana ireo vidim-bary ihany izy ireo na eo aza izany rehetra izany. Vokany, tsy mihetsika main’ny vidiny nampiakarana azy intsony ny mpivarotra ankehitriny nohon’ny tsy fitohizan’ny fanaraha-maso. Tsy afa-manoatra izany tranga iznay ny vahaka Malagasy  na eo aza io fiakarana io. Manodidina ny 800 ar ka hatramin’ny 900 ar mahery ny kapoaka amin’ny vary amin’izao. Eo amin’ny 1000 ar ka hatramin’ny 2700 ar kosa ny kilaon’izany ankehitriny. Ahitana fihenana kosa anefa izany raha ho an’ny faritra mpamokatra no jerena. Tsy ny vidim-bary irery ihany anefa no tsy mitsaha-miakatra ankehitriny fa na ireo vokatra toy ny menaka sy ny siramamy, lafarinina, savony  ihany koa. Sarobidy anefa ny fijerenea ireo sosialim-bahoaka ireo satria efa hita fa ambany dia ambany ny fahahefa-mividin’ny Malagasy.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire