Tunisie : Nakatona ny Sekoly sy ny Oniversite
Tapaka tao Tunisie ny Sabotsy 17 Avrily lasa teo fa hakatona ny sekoly sy ny Oniversite rehetra misy any an-toerana. Teo ihany koa ny fandrarana ny fifamezivezena amin’ny fitanterana iraisana sy amin’ny fiara manomboka amin’ny fito ora hariva any an-toerana noho ny fiakaran’ny isan’ireo mararin’ny COVID-19. Nilaza ny mpitondra tenin’ny governemanta, Hasna Ben Slimane fa tadidomin-doza ny firenena amin’ity aretina ity ary ampiharina izany fepetra izany manomboka ny 18 hatramin’ny 30 avrily izao. Ary notsindriany tamin’izany fa mila manao fampianarana am-pitain-davitra ny Oniversite mandritra io daty io. Teo ihany koa ny fanatsaharana ny fifamoivoizana manomboka amin’ny 07 ora alina ka hatramin’ny 05 ora maraina, ora any an-toerana raha tsy misy vonjimaika tsy maintsy hivoahana. Tsikaritra tokoa mantsy fa tena nihanitombo ireo marary nanomboka tamin’ity volana Avrily ity, ary efa am-polony ireo maty isan’andro any Tunisie. 12 Tapitrisa ny mponina any an-toerana, 280 000 amin’izany ny tranga hita ary 9 637 ireo maty.
