ActualitésTatitra

Grèce : Lesbos, nosy manan-karena kolontsaina

Nosy iray ao Grèce ny Lesbos. Ao amin’ny sisiny aravaratr’i Égée no misy azy ary antsoina amin’ny anaran’ny renivohiny atao hoe Mytilèe izy matetika.

Miavaka noho ny kolontsainy i Lesbos (arkeolojika, zavakanto, sakafo, mozika, fotodrafitrasa…) manana lova voajanahary miavaka ihany koa izy (geolojika, an-dranomasina, an-dranomamy…).  Anisany nampalaza azy kosa ny divay sy ny hazo fanamboarana sambo ary ny « marbre » mangakely tamin’ny andro fahiny sy tamin’ny vanim-potoan’ny « byzantine ».

Ny teny hoe « lesbienne » dia nalaina tamin’ny fiainan’i Sappho, izay teraka tao Lesbos. Nosokajiana naneho tantara fiarahan’ny olona mitovy fananahana ny tantaram-pitiavana nosoratany. Anisany mbola misarika mpizahan-tany maro anao an-toerana ny tantarany.

Laisser un commentaire