Ambohimanambola: Hisy ny fizahana maso maimaim-poana eny amin’ny tobi-pahasalamana
Hisy ny hetsika fizahana maso maimaim-poana, izay atao atao amin’ny CSB II Ambohimanambola, ny alarobia 07 jona 2023 ho avy izao. Hetsika izay karakarain’ny Lions Sight First Madamagascar, ity fikambanana ity izay efa misehatra amin’ny fitsaboana ny areti-maso an-taonany maro, araka ny voalaza.
« Hetsika efa fanao mahazatra ny fizahana maso maimaim-poana atolotry ny fikambanana ho an’ny mponina ety an-toerana. Izany ihany koa dia iaraha-miasa amin’ireo mpitsabo sy fikambanana misehatra amin’ny fitsaboana mba entina hanampiana ny mponina eny ifotony » hoy ireo tomponandraikitra.
« Maro ny mponina no liana amin’ny fitsaboana maimaim-poana tahaka izao. Ny fahasalamana izay mahasarotiny ny isam-batan’olona ary voalohan-karena hoy ny malagasy. Hisaorana ireo mpikarakara satria mahafaka fahasahiranana izany » hoy i Ony, mponina ao Ambohimanambola.
Hanomboka amin’ny 08ora sy sasany maraina moa ity hetsika ity ary efa misy ny solomaso azo hisafidianana, amidy amin’ny vidiny mirary, ho an’ireo voatery tsy maintsy hanao izany.
Manitra R.
