Dépêches

Ankoay 3*3: Namiratra tamin’ny fotoana farany

Dépêche 02 juin, 13h, Ny alin’ny alakamisy teo no nanatanaterahan’izy ireo ny lalao farany iay nifanandrinany tamin’ny France. Namiratra izy ireo satria dia naharesy an’ny France tamin’ny isa 21 noho ny 20 nandritra izany. Mialohan’io anefa dia resin’ny Bresil tamin’ny isa 20 noho 17 izy ireo. Araka izany dia tsy tafiakatra tamin’ny dingana manaraka izy ireo satria farany ny toerana misy azy ireo tao anatin’ny vondrona. Tapitra hatreo araka izany ny lalan’ny Ankoay tamin’ny lalao iraisam-pirenena ho an’olona telo satria faharesena efatra sy fandresena iray no azon’izy ireo.

Laisser un commentaire