Dépêches

Fizahantany : Hisokatra ny 5 martsa ny habakabak’i Madagasikara 

24 Febroary, 14h00. Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra natao omaly alarobia fa hisokatra manomboka ny 5 martsa izao ny habakabak’i Madagasikara. Misy anefa ny fepetra ho hapetraky ny Fanjakana Malagasy mikasika izany tsy ho ela, izay avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny minisiteran’ny Fizahantany ary ny minisiteran’ny Fitaterana. Tokony hajain’ireo kaompania vahiny miasa mitatitra olona hiditra na hivoaka eto Madagasikara rehetra ireo fepetra ireo.

Laisser un commentaire