Rivo-doza : Efa tafavoaka i Emnati
24 Febroary, 13h00. Nivoaka an-dranomasina tao Atsimon’ny distrikan’i Ampanihy i Emnati omaly tamin’ny 09 ora sy sasany alina teo. Tany amin’ny manodidina ny 137 Km Andrefana somary atsimo andrefan’Androka, distrikan’Ampanihy kosa no nisy ny foibeny tamin’ny 6 ora maraina teo. 65 km/ora ny rivotra nentiny izay narahina tafiotra 90 km/ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana izy ary mahafaka 17 km/ora.
Miova ny filazana loza manoloana izany : foana izany ho an’i Atsimo atsinanana, Anosy, Androy, Ihorombe ary Atsimo andrefana. Mbola hahery kosa ny ranomasina ka entanina ny mpampiasa azy mba tsy handriaka.
