Salon de l’auto : Ahitana zava-baovao mahakasika ny fiara sy ny tontolony hatrany.
Dépêche 06 octobre, 10h30, Ahaizana sy ahitana zava-baovao hatrany ny fampirantiana toy itony. Ity herinandro ity no hotanterahina ny “salon de l’auto” ka mandritra izany no hampisehoana ny fahaiza-manaon’ireo mpamorona. Hita nandritra izany ireny fiara kely toy ny kilalao ireny kanefa afaka mandeha amin’ny alalan’ny angovo toy ny lasantsy. Mahavita mandeha mafy tokoa izy raha oharina amin’ireo izay ampiasaina vatoaratra hafa. Natao ho an’ireo mpanambola moa izy ireny hatreto aloha satria dia lafo dia lafo ny vidiny ary tena misy modely maro azo isafidianana tokoa.
