Maurice : Vaksiny fanefitry ny covid-19 an’hetsiny no lany daty
Eo anelanelan’ny 300 000 sy 400 000 isa ny vaksiny fanefitrin’ny covid-19 lany daty ao Maurice raha ny voalazan’ny minisitry ny fahasalamana ao an-toerana Kailesh Jagutpal, nandritran’ny fanombohana ny Health Week tao Ebène.
Manoloana io tranga io dia tsy ho soniavina ny fanafarana vakisny vaovao amin’ny Covax facility sy Pfizer hoy io tompon’andraikitra io. Mbola tsy ilaina mantsy izany amin’izao fotoana raha ny fanazavany. Hirona amin’ny fanafarana fitaovam-pitsaboana kokoa ny ministera hoy izy.
