Nisy ny hetsika fampiofanana « informatique » ireo mpiasan’ny Kaominina Toamasina
Nikarakara fampiofanana kajy mirindra ho an’ireo mpiasa ao aminy ny Kaominina Renivohitra Toamasina mba hizorana any amin’ny tena fanatontoloana mandritra ireo asa atao ao amin’ny Kaominina. Izany no natao mba hanamorana ny asa sy hanafainganana izany ka hahafahan’ny rehetra misitraka vetivety.
« Betsaka ny hetsika hokarakaraina aorian’izao fampiofanana ny mpiasa eto amin’ny Kaominina izao, efa miomana any ho any ny fiofanana amin’ny resaka fitantanana sy ny rantsana hafa fandraisana ny vahoaka » hoy ny ben’ny tanànan’i Toamasina. « Manamora ny asa ny fampiasana ny hairaha ka ny tena tsara ny biraom-panjakana rehetra dia tokony hampiasa izany « informatique » izany avokoa, eny fa na dia hatramin’ny biraom-ponkontany aza mba hahafahana mamaly ny fangatahan’ny vahoaka ara-potoana » hoy i Aina, mpianatra serasera eny anivon’ny anjerimanontolo.
« Itako ho tsara sy fankan-tahaka ny vahiny mihitsy ny fampidirana ny tontolo maoderina amin’ny asam-panjakana indrindra ny eto amin’ny Kaominina Toamasina » hoy ny mpiasa iray teo anivon’ny Kaominina renivohitra Toamasina. Manamora ny asa tokoa no sady manome fahafaham-po ho an’ny vahoaka ny fampiasana ny hairaha ary efa dingana tokoa izao nataon’i Toamasina izao. Saingy mila fehezina tsara anefa ny tontolon’ny « informatique » raha tsy izany hitondra olana indray raha misy ny tsy fihetezana.
Nicole Rafalimananjara
