France : Nanomana ny fialàn’ireo Français ao Afghanistan i Paris
Nisy filàn-kevitry ny fiarovana ny alatsinainy teo ka nanapa-kevitra ny
hamoaka ireo Français sisa tavely tao an-toerana nanomboka ny omaly
tolak’andro izy ireo. Tena laharam-pahamehana mihitsy izany hoy ny
minisitry ny tafika, Florence Parly manoloana ny toe-draharaha misy ao
an-toerana. Amin’izao fotoana mantsy dia eo amban’ny fahefan’ny Taliban
tanteraka i Kaboul.
Efa ny alahady teo i France no nambara fa handefa tafika ao amin’ireo
Emirats Arabe mba hanamora ny fialàn’ireo teratany Français ao an-toerana
ireo. Nanao fanambarana mahakasika izany kosa ny filoha Emmanuel Macron ny
alin’ny alatsinainy teo
