CultureTatitra

Chine : Mpanoratra Aostralianina voaheloka ho faty

Mpanoratra sady mpandalina Aostralianina iray, Yang Jun, izay nigadra tao Chine, hatramin’ny taona 2019, noho ny fiampangana azy ho nitsikilo no voaheloka ho faty, ao amin’ity firenena ity, araka ny fanambarana nivoaka, omaly alatsinainy. Nanohitra ary nilaza fa tsy nanao io heloka io anefa ity lehilahy ity. Teraka tao Chine ny taona 1965 i Yang Jun. Tamin’ny taona 2021 no nanatanterahana ny fitsarana azy voalohany, izay tsy azo natrehan’iza n’iza. Tamin’izany, dia tsy nisy ny didim-pitsarana navoaka ampahibemaso. Notsikerain’ireo mpiaro ny zon’olombelona tany an-toerana anefa izany fanambarana izany. Fantatra tamin’ny anarana hoe « Yang Hengjun » ihany koa ity mpanoratra ity, ary nanambara ny tenany fa niharan’ny fampijaliana, tao amin’ny toerana tsy nisy nahafantatra nandritra ny fitazomana azy. Ny fitsarana tao Pékin moa dia nanda izany fiampangany izany.

Laisser un commentaire