Nouvelle-Zélande : Firenena voalohany niditra ny taona 2022
Tsy mitovy avokoa ny fotoana hidiran’ny firenena tsirairay amin’ny taovam-baovao. I Nouvelle-Zélande no firenena voalohany miditra amin’ny taom-vaovao eran-tany. 10 ora ny elanelan’ora (décalage horaire) misy eo aminy sy i Madagasikara. Tamin’ny 12 ora atoandro tao France izy no niditra taom-baovao. Nanarakaraka azy kosa i Australie izay nankalaza ny taom-baovao tamin’ny 2 ora atoandro tao France.Hawaï, Etats-Unis, ary firenen’ny Polynésie Française kosa no firenana farany mankalaza ny taom-baovao. Raha ho an’ny Tahitien manokana dia tamin’ny 12 ora atoandro tao France ny andron’ny 1 janoary izy no niditra ny taona 2022.
