ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Niondrika tamin’ny isa 1-0 nandritra ny lalao famaranana « coupe omby »

Notanterahina tamin’ny alahady teo, teny amin’ny kianja Bypass Ambohimangakely ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra « coupe omby » izay nifandonan’ny ekipa FC Amis Ambohimanambola sy ny FC Bosnie Ambohimangakely. Nisaraka tamin’ny salan’isa 1-0 ny lalao, raha ny voalaza.

« Niady dia niady ny lalao teo amin’ny roa tonta, lalao famaranana tokoa moa ny natao ka samy nanao izay heriny, namoaka ny fahaiza-manaony ireo ekipa andaniny sy ankilany » hoy ireo mpikarakara ny lalao .

« Rehefa fotoana tahaka izao moa ny resy hakoraina, ny mandresy tsy hobiana satria samy naneho ny fahaizany avokoa ireo. Hisaorana ny mpanohana sy ny mpijery tong amaro fa anisan’ny endrika fanohanana ny taranja baolina kitra tokoa ny tahaka izao » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa norombahan’ny ekipan’ny FC Bosnie Ambohimangakely ny amboaran’ity ady omby lehibe ity. Lasan’izy ireo araka izany ny omby mehibe iray raha toa ka lela-vola kosa no azon’ny ekipan’Ambohimanambola.

Manitra R.

Laisser un commentaire