ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Lasan’ny fokontany Tsarafara ny amboara tamin’ny lalao baolina kitra

Notanterahana tamin’ny alahady lasa teo ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra, nifanandrinan’ny fokontany Tsarafara sy  ny fokontany Soaniedanana, ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Norombahan’ny ekipan’ny fokontany Tsarafara ny amboara nandritra izany.

« Niady ny lalao ary samy mendrika avokoa ny mpifaninana roa tonta nandritra iny famaranana iny. Efa hita tokoa fa manana ny mahaizy azy ny mpilalao baolina eto an-toerana ka noho izany hiezaka hametraka ny fanatanjahan-tena ho tsara kokoa hatrany ny mpikarakara » hoy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.

« Mendrika azy ireo tokoa ny amboara raha ny lenta sy  ny fahaiza-milalao ambony kianja nasehon’ny mpilalao no jerena. Hisaorana ny mpikarakara fa tena nahafinaritra ny ezaka teo amin’ny fikarakarana sy ny fandaminana » hoy i Jacquot, mpankafia baolina kitra.

Anisan’ny lalao famaranana be mpiandry tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana moa iny niseho ny alahady teo iny, izay nanasongadina ny lanjan’ny baolina kitra ao an-toerana. Ity kaominina ity izay marihina fa manana ireo mpilalao anisan’ny matihanina ary kintan’ny baolina kitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire