Fizahantany: Voasokajy ho toerana maitso mahasarika indrindra i Madagasikara
Enin-taona nifanesy izay dia azon’ny Madagasikara hatrany ny amboara ho toerana maitso mahasarika indrindra aty amin’ny Ranomasim-be indianina na ny “Indian Ocean’s Leading Green Destination”. Mbola nisalotra izany indray ny Nosy Malagasy tamin’ity taon 2022 ity. Fotoana fanararaotra ny fahazoana izany medaly izany hampiakarana indray ny sehatry ny fizahantany aty an-toerana.
“Voasongon”ny Madagasikara noho izany i Komaoro, Maorisy, Seychelles, La Réunion ary i Maldives izay toerana samy mahafainaritra sy tsara tazanina daholo. Nandritra ny enina taona izay dia i Madagasikara foana no nandrombaka ity amboara avy amin’ny World Travel Awards ity. Mahafaly hatrany ny maheno vaovao tsara toy izany ary tokony hotohizana hatrany ny fiarovana ny tontolo sy ny zava-maitso fa sady ho an’ny tontolo iainana izany no ho an’ny fizahantany ihany koa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.
“Tokony ho tonga saina ireo mpisehatra mahakasika ny fizahantany fa izany indrindra no fotoana hanararaotan’ny fanjakana hisintomana mpizahatany ka tokony hifanaraka amin’izany ny tolotra homen’ireo mpisehatra raha mbola te hitana io toerana io. Ao anatin’izany ny fikarakarana ny toerana fandraisam-bahiny sy ny manodidina ary indrindra ireo tolotra mampiavaka ny faritra tsirairay”, hoy ao anatin’ny Fikambanan’ny Mpisehatra amin’ny tontolon’ny Fampiantranoana vahiny.
Tsy ireo mpisehatra mivantana irery ihany no tokony handray anadraikitra amin’ny fitazomana io laharana misy antsika io fa miantoka ny fahasalaman’ny olona rehetra ihany koa izy io ka manana anjara andraikitra amin’izany avokoa ireo olona rehetra monina eto Madagasikara, mba sady miaro ny tenany no mifampiaro ihany koa.
Miora Raharisolo
