Dépêches

ENS Ampefiloha : Vokatry ny fitokonana dia nisy ny naratra sy ny simba fitaovana.

Dépêche 08 décembre, 11h15, Nitokona nanomboka ny talata 6 desambra teo ireo mpianatra avy ao amin’ny ENS Ampefiloha noho ny fitakiana ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana. Vokany dia olona miisa 4 farafahakeliny no naratra rehefa nanao fihetsika tsy voahevitra ireto mpianatra ireto. Misy avy amin’ireo mpitokona, misy avy amin’ireo mpirtandro ny filaminana ary nisy ihany koa ireo mpandalo izay naratra noho ny fifandonana. Samy efa any amin’ny hopitaly avokoa ireo naratra rehetra. Ary farany dia nisy fiara iray ihany koa nahitahana fahasimbana noho ny tora-bato izay nataon’ireo mpianatra nitokona.

Laisser un commentaire