La Réunion : Misy ny sehatra nomerika manampy ny ray aman-dreny mitady mpiambina ny zanany
Ho fanamorana ny lafiny ara-pitantanana ho an’ireo ray aman-dreny mitady mpiambina ny zanany dia namolavola « un portail numérique » atao hoe « Petite enfance » ny tanànan’i Saint Benoît sy ny CAF (Caisse d’Allocations Familiales).
Ahafahan’ireo ray aman-dreny manoratra anarana ny zanany an-jotra ao amin’ny EAJE (établissements d’accueil du jeune enfant) iray miankina na tsia ao amin’ny kaominina io tetikasa io raha ny fanazavana. Anisan’izany ny « crèches, micro-crèches, jardin d’enfants, assistantes maternelles ». Tsotra kosa ny fampiasana azy, mampiditra kaonty ireo ray aman-dreny mameno ny antontan-taratasy an-jotra ary hantsoin’ireo tompon’andraikitra.
