Ankadikely Ilafy : Mpamily mpamo no nahatonga ny fifandonana tamin’ny fiara mpitatitra 192
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana Nanisana, Analamahitsy, ny alahady teo. Kamiao iray no nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka zotra 192 tamin’izany. Araka ny voalaza, mamo ny mpamily nitondra ilay kamiao ka tsy nahafehy ny familiana intsony.
« Efa avy any ambony avy any no nirimorimo io camion io ary efa saika nandona olona no saika nivadika saingy nifanitsy tamin’ity taxi-be ity avy any ambany ka izao no vokany. Potika ny fiara, ny mpandeha naratra » hoy i Ando, nanatri-maso ny zava-misy.
« Izao no vokatry ny tsy fanarahan-dalana sy ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso eto amintsika. Goragora loatra ny fampiharana ny lalàna, hany ka mirongatra izay tsy izy ny lozam-pifamoivoizana. Mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra manoloana izany satria ireo tsy manan-tsiny no mitondra takaitra tsy fidiny » hoy i Hery, mapndinika fiaraha-monina.
Olona efatra tao anatin’ilay fiara fitateram-bahoaka moa no naratra nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity.
