France : Mihamafy ny hatezerana eo amin’ny mpamboly
Mbola nitohy hatramin’ny omaly alatsinainy 29 janoary ny fitakiana sy ny fitokonana ataon’ireo tantsaha any Eoropa. Tsy mbola tony hatezeran’ireo mpamboly any an-toerana, toy ny ao Paris, France, ka nanohy ny hetsika fitakiana teny an-dalambe hatrany izy ireo. Ao anatin’izany, misy ny fanakanan-dalana ataon’izy ireo, mitan-dahatra amin’ny alalan’ny fiara fiasa an-tanim-boly (tracteurs) « opérations escargot». Kihon-dalana miisa valo any an-toerana no voabahana hatramin’ny omaly. Anisan’ny manampy ireo tantsaha manao ity fitokonana ity moa ireo syndicat any an-toerana. Raha tsiahivina, fitarainana manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny solika sy ny tsy fanarahan’ny fenitra eo amin’ny famokarana, fa indrindra ny tsy fanekena ny fanafarana entana avy any ivelany fa ny fanjifana ny vokatry ny tantsaha, no anton’ity fitokonana ity.
