Maurice : Hampitomboina ny fandraisana mpampianatra ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa
Handray mpampianatra maro ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa amin’ny alalan’ny Public Service Commission ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny nosy Maurice. Raha ny fanazavan’izy ireo dia laharam-pahamehana izany ary hanarenana ny lesoka tamin’ny taom-pianarana lasa teo.
Tsiahivina fa tsy ampy ny mpampianatra ka ireo mpampianatra efa nisotro ronono no naverina nantsoina indray. Nokaramaina Rs 50 000 (5 tapitrisa Ar) izy ireo mba nisarihana azy niverina teo amin’ny sehatry ny fampianarana indray.
Mpampianatra ho an’ny taranja maro toy ny fiteny, ny kajy, ny toe-karena, ny fitananam-bola, ny taranja siantifika, ara-javakanto ary indrindra kreol morisien kosa no ho raisina. Marihana fa hiasa amin’ny taom-pianarana 2024 izao ireo mampianatra ireo. Ho an’ireo maniry hanatevin-daharana izany kosa dia mila PGCE (Post-Graduate Certificate in Education).
