SECES Sampana Antananarivo : « Ambara fa Oniversite maty » ny Oniversitean’Antananarivo
Efa fotoana lavalava no nanaovan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpiakaroka mpampianatra fitakiana ny amin’ny hanomezana ny tambi,n-karaman’izy ireo sy ny zony izay voahitsakitsaka. Nitohy ny fitakiana ka mbola tsy nahitam-baliny hatramin’izao ary efa tapitra ihany koa ny 72 ora izao nomen’izy ireo ny Fanjakana Malagasy.
Ankehitriny dia nanao fanambarana ny “Oniversite maty” izy ireo ka vokatr’izany dia mijanonana daholo ny asa rehetra sy ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo foibem-pikarohana miara miasa aminy nanomboka omaly 19 Jolay ary hitohy hatramin’ny 21 Jolay.
“Ny mpampianatra tsy mangataka fa mitaky ny valin-kasasarany . Ny mitabe tsy lanin’ny mamba”hoy ny avy amin’ny SECCES.
“ Atao ankilabao ary hitsakitsahan’ny Fanjakana Malagasy tanteraka ny hasin’ny fampianara ambony. Tsy hitsahatra ny fitakiana raha tsy mahazo valiny mahafa-po izahay.” Hoy hatrany izy ireo.
Ny Tranga toy izao no isany manimba sy manome endrika ratsy ny fampianarana eny amin’ny Oniversitem-panjakana ka mangataka ny hamahana ny olana ihany koa ireo mpianatra. “Isan-taona dia misy fitokonana sy fitakiana foana ety amin’ny Oniversitem-panjakana. Efa 4 taona izao no nianarako tety ka tao anatin’izay 4 taona izay dia tsy mbola nisy na zon’ny mpianatra na zon’ny mpampianatra nomena fotsiny fa tsy maintsy natao fitakiana. Mifandimby eo ny mpianatra sy ny mpampianatra mitaky ny zony. Mampaleho ilay izy sady mahamenatra ihany koa satria miharihary ny tsy fanomezan-danja ny fampianarana eto Madagasikara. Ny fangatahana dia ny hoe jereo ary ataovy zava-dehibe ny fampianarana fa antoky ny fandrosoana io.” Hoy ny mpianatra.
Miandry ny fandraisan’andraikitry ny Fanjakana ireo mpampianatra ireo amin’izao fotoana izao ary nanambara fa hihitatra ny fe-potoana hikatonanan’ny Oniversite raha tsy voavaly ny fitakiana.
Miranto Andrih
