ActualitésTsidika

Manakara : dahalo iray no tratra

Dahalo iray no azon’ireo miaramila avy ao amin’ny amin’ny Bataillon d’Infanterie Manakara ny asabotsy 27 Aogositra 2022 lasa teo tao Bemangevo, Kaominina Etrotroka, distrikan’i Farafangana. Tsiahivina fa efa maro ihany koa ireo jiolahy no tratra teo aloha. Vokatry ny fifandonana nandritra ny fanafihana nataon’ireo dahalo ireo no nahatratrarana ity jilahy iray ity.  Basy iray ihany koa no azo raha vaky nandositra ireo dahalo 7 ambiny. Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakisaka izany. Mila mitandrina hatrany ihany koa manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire