ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nahatsiaro manokana ireo renim-pianakaviana ny kaominina

Nisy ny fety niarahana nankalaza ny fetin’ny reny tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy diso anjara, fa niara nifaly sy nahazo anjara tamin’ny mofo mamy avokoa ireo renim-pianakaviana sy vevivavy tao an-toerana, araka ny voalaza.

« Tsy nanadino ireo renim-pianakaviana sy ireo vehivavy teto an-toerana ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny reny. Nisy araka izany ny fanolorana mofo mamy ho an’ireo renim-pianakaviana miasa eto an-toena ary tsy diso anjara ireo vehivavy manodidina » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Manandanja lehibe ny vehivavy ka rariny raha omena lanja manokana amin’ny andro tokana tahaka izao. Tsy isanandro no misy fankalazana sy fanamarihana izany ka mendrika azy ireo izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy isanandro no hankalazana ny fetin’ny reny. Samy nanana ny fanehoany izany avokoa moa ny rehetra tamin’ity taona ity. Niavaka ary fifampizarana ny mamy kosa no nameno ny fankalazana izany tao Ambohimangakely.

Laisser un commentaire