ActualitésTsidika

Fahasalamana : Manala fahasahiranan’ireo mpitondra marary ny fisian’ny Centre Social Anyma

Noarina ny taona 1993 ity Centre ity izay natokana ho an’ireo olona mpitondra marary avy any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo. Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity taona ity ny toerana izay hita eny Andrefan’Ambohijanahary. Efa maro no nisitraka ny fanampiana sy ny tohana ary ny asa izay tanterahin’ny Centre Social Anyma, izay halavaina hoe « Arovy NY MArary ».

« Ny tanjon’ny Centre moa dia ny hanalefaka ny fahasahirananan’ireo tompon’ny marary avy any amin’ny faritra. Ireo izay tsy manana hivantanana kanefa tsy maintsy hijanona maharitra eto no tena mahazo tombony betsaka amin’izany. Natao mirary ihany koa ny saran’ny fandraisana satria 13 000 ariary isan’andro ihany no alohan’izy ireo. Afaka mampiasa lakozia izy ireo satria dia fampiantranoana irery ihany no afaka hatolotray aloha amin’izao fotoana izao », hoy ny tompon’andraikitry ny toerana.

Amin’izao fotoana izao dia fandriana 60 eo no hananan’ny Anyma. Efa anatin’ny fanalehibeazana ny toerana izy ireo amin’izao fotoana izao ka hiampy maherin’ny 20 eo ho eo izany rehefa vita.

« Milamina be ny fiainana ato satria mahazo izay ilaina rehetra. Ny fandraisana anay ihany koa tena hitako hoe mahafinaritra. Manamora ny fitsaboana sy ny tebiteby lava mety hiseho any amin’ny toerana hafa any ilay eto sady akaiky ny mpitsabo », hoy i Léonie, mitondra marary ao amin’ny Anyma.

Ireo marary mafy mila fandidiana, mararin’ny homamiadana, sy ireo aretina isan-karazany mbola tsy ahitana mpitsabo any an-toerana no matetika mipetraka ao amin’ny Centre Social Anyma. Mampametra-panontaniana anefa ny antony tsy hahazoan’ny any amin’ny faritra ireo fitsaboana mifanaraka amin’izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire