ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe

Ny alatsinainy lasa teo no nanatanterahana ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana (kopia) sy karapanondrom-pirenena faobe, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Natao ho an’ireo feno 18 taona no mihoatra, ka tsy mbola manana izany ny hetsika raha ny voalaza.

« Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ary tonga maro tokoa ireo mponina avy any amin’ny fokontany samihafa ato amin’ny kaominina nisitraka izay fanomezana karatra sy kopia faobe izay. Anisan’ny nanampy azy ireo hahafahany manatanteraka ireo adidy sy andraikitra eto anivon’ny firenena ny fananany iny karatra iny » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny distrika.

« Anisan’ny tombony lehibe azon’ireo vao nahazo karapanondro vaovao ireo nandritra izao hetsika izao ny nampidirana azy ireo tao anaty lisim-pifidianana izany hoe afaka hanatanteraka ny zo sy adidy amin’ny fifidianana izany izay ireo amin’ireo fifidianana izay hiseho eto amintsika » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina

Tsara marihina moa fa tamin’ny 23 Novambra lasa teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny distrika ity hetsika ity. Kaominina miisa 4 ato anatin’ny distrikan’Avaradrano no nanatanteraka izany tamin’ny Alatsiny teo : Anjeva, Ambohimalaza, Alasora ary Ambohimangakely.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire