Niova tanteraka ny tsena « Zaimaika »
Manodidina ny valopolo isan-jaton’ny asa fanorenenana sy fanavaozana ny tsena Zaimaika eo Ambodifilaho no vita raha atao ny tombana. Hahazo ary tsy maintsy hanaraka fampiofanana mahakasika ny « Kaody monisipalin’ ny fahadiovana » ireo mpisehatra rehetra mialohan’ny hisokafan’ny tsena indray. Ho tandremana fatratra noho izany ny resaka fahadiovana anatiny, ivelany ary ny fikarakarana rehetra ao anaty tseana izay miantoka betsaka nyfahasalamana.
Ny taona 2020 lasa teo no nitsahatra tamin’ny asa fivarotana ireo mpivarotra noho ny fahamaizana izay nisy tamin’ny ampahana, nohararaotin’ny Kaominana Antananarivo renivohitra hitondrana sy hanatanterahana ny fanamby izay napetrany. « Mankasitra sy misaotra ny Ben’ny tanàna, nandray andraikitra amin’ny fanamboarana sy famerenana ny toerana izay isan’ny manana ny tantarany manokana raha ho an’ny eto andrenivohitra. Toerana mendrika tokony hafahana mampiseho ny karazan-tsakafo malagasy, tsidihin’ny mpizaha tany sy ny Malagasy. Toerana atao tonga lafatra sy hentitra amin’ny fahadiovana » hoy i Balsame, anisan’ireo mpanjifa.
« Mitarazoka ela loatra ilay fanamboarana hany ka maro ireo olona very asa vokatr’izany. Eo ihany ny fanilikilihana ataon’ireo mpiasan’ny Kaominina ireo mpivarotra izay nanohy ny fivarotana eo amin’ny sisin’tsena “hoy i Ravo, iray amin’ireo mpivarotra. “Hita izao fa vita amin’ny endriny vaovao, manaraka ny fenitry ny fahadiovana ny tsenan’ny Zaimaika ankehitriny, nanao ny asany tokoa ny teo amin’ny Kaominia. Tsy handeferana intsony fa tsy maintsy ampiharana ny sazy avy hatrany ireo olona minia mandoto sy manimba izao fotodrafitr’asa iombonana izao » hoy i Faly, « délégué » ao amin’ny tsena. « Anisan’ireo fampanantenana nataoko tamin’ny adnron’ny fampielezan-kevitra ny hitondra fanovana sy fanatsarana ny tanàn’Antananarivo renivohitra, anisan’izay ity tsena ity. Madiva ho vita izy ankehitriny, tsy resaka intsony fa tena asa » hoy ny Ben’ny tànana, Naina Andriatsitohaina.
Inoana sy antenaina fa atao laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana izany tsena vaovaoa izany ireo mpivatro izay tao teo aloha. Angatahina ihany koa ny fandaminana mialoha, ialana amin’ny mety hisian’ny disadisa izay miteraka korontana ho an’ny faritra, toy izay nitrana tamin’ny famindran-toerana ireo mpivaotra, volana vitsy lasa izay.
Haingotiana Andriamihaja
