Tsy mitsaha-mihena ny vidin’ny lavanila
Tsy mitsahatra ny mitotongana ny vidin’ny lavanila any amin’ny faritr’i Vohipeno sy Manakara. Mihena hatrany amin’ny ampahafolony izany vidiny izany. Roa alina ariary ny kilaon’ny lavanila manta amin’izao fotoana raha toa ka roa hetsy ariary izany teo aloha. Anisan’ny nampihena izany ny fahatapahan’ny fanondranana vokatry ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’y tany sy ny firenena.
Miaina anaty fatiantoka tanteraka ireo tantsaha any ant-toerana vokatr’izany, tsy mifanaraka amin’ny ezaka atao manoloana ny fambolena sy ny fikarana ny vidiny hamarotana izany. Mampitobo ny olana sedrain’ireto tantsaha ny hetra sy haba izay takian’ny fanjakana amin’izy ireo na eo izay fahambanian’ny vidiny izany. Diman-jato sy telo arivo ariary mantsy no takian’ny fanjakana isaky ny kilao.
Raha tsihahivina, anisan’ireo nambaran’ny filoha tamin’ny fampielezan-kevitra ny hampiakarana ny vidi’ny lavanila eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena. Mijanona ho teny fampanantenana fotsiny ihany izany ankehitriny, tsy hita hatramin’izao ny fandraisana andraikitr’ireo Minisitera misahana izany raha toa efa maro ireo tantsaha sy mpandraharaha ny lavanila no naneho ny fitarainany manoalana izany.
« Tsy mora ny fambolena lavanila, andrasahana ety an-tsaha andro aman’alina izany noho ny firongatry ny mpangalatra » hoy i Saholy, mpamboly. « Mangataka ny filoha hijery ifotony izao olana izao, raiso ny andraikitra sahaza ka tanteraho ny teny fampanantenana natao » hoy i Perle, mpandraharaha. « Fanirianay amin’ny taona ho avy ny hijerena ny tena fototry ny olona mahakasika ny fanondranana ny lavanila » hoy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny faritr’i Vohipeno, Honore Tsabotokay.
Anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ny famokarana lavanila, misedra olana izany ankehitriny saingy tsy hitan’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fanjakana. Mijanona ho nofinofy ratsy ho an’ireo tantsaha ireo fampanantenana sy ny fampiarana ireo voorakitra anaty veliranon’ny Filoha. Mifameno sy mifanandrify amin’izao zava-misy izao ireo voarakitra anaty velirano fahe enina sy faha fito, koa takiana ny hanatanterahana izany, fotoana izao hanaovaona ireo tetik’asa ho fampandrosoana.
Haingotiana Andriamihaja
