Anjeva: Nanatanteraka fambolen-kazo ny kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka
Nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny kaominina Anjeva gara ireo tomponandraikitra misahana ny kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fampandrosoana ny tanàna ao an-toerana. Endrika hanehoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fanatanterahana izao fambolen-kazo izao, raha ny voalaza.
«Endrika fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ny fambolen-kazo rehefa samy resy lahatra fa hanara-maso sy hikarakara ny fanirin’ny zana-kazo novolena ny roa tonta. Tsy izay rehetra mamboly hazo aty amintsika dia ekena avokoa fa izay vonona ny hiara-hiasa amin’ny fampandrosoana ny tanànatsika, isan’izany ireto mpandraharaha ireto » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Resy lahatra fa lalana iray mampahomby sy mampandroso ny kaominina ny fananana mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny 3P (Partenariat Public Privé). Eo amin’ny lafiny ara-tsosialy no hiompanan’ny fiaraha-miasa eto indrindra ny fanohanana ireo ankizy madinika” hoy hatrany ny fanazavana.
Tsara marihina fa ireo orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana, dia ny orinasa Unibisc sy ny Unipro no niara-nisalahy tamin’ny kaominina Anjeva, niara-nanatontosa izao hetsika fambolen-kazo tao an-toerana izao.
Manitra R.
