Dépêches

Sosialy : Nitondra fanampiana ho an’ny mponina Ambato Boeny sy Mahajanga ny Filoham-pirenena

Dépêche 14 février, 14h, Nitondra fanampiana sy tohana ara-tsosialy ho an’ny mponina sahirana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso tany amin’ny faritra Ambatop Boeny sy Mahajanga ny filoham-pirenena. Tohana ara-tsakafo sy entana ilaina andavanandro, fampitaovana ho an’ny fikambanam-behivavy, kojakojana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro no atolotra mandritra izany. Misy koa ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Anisan’ny toerana nitondra takaitra betsaka tamin’ny fandalovan’iny rivo-doza iny ireo toerana ireo ka izany no antony lehibe nitondrana ireo fanampiana ireo ho an’ireo mponina.

Laisser un commentaire