Fahasalamana : Ireo tranga hahalalana ny homamiadan’ny hoditra
Isaky ny 4 febroary no hankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny homamiadana. Maro karazana ny homamiadana tena firesaka saingy ny homamiadan’ny hoditra izay mbola tsy be mpahalala kanefa mahafaty olona maro ihany koa dia tsara resahana. Fantaro fa misy ireo tranga amin’ny vatanao tokony hahamailo ka hanatonana mpitsabo faran’izay haingana.
Misy karazany ny mety ho fisehon’izany aretina izany fa ny tena fahita matetika dia ny tsy fahatomombanan’ny sela eo amin’ny hoditra ivelany (épiderme) na ilay hoditra ivelany indrindra. Eo ihany koa ny tsy fahatomombanana eo anivoan’ilay sela izay mpanome ny lokon’ny hoditra. Miseho amin’ny alalan’ny fiforonana fery miloko menamena izany ary tsy mety afaka ka manjary mandavaka eo amin’ny hoditra, mety ho hita amin’ny vatana rehetra izany. Ilay faharoa mahakasika ny lokon’ny hoditra kosa dia miseho amin’ny alalan’ny tasy maintimainty izay mety hivoatra haingana be eo amin’ny vatana.
Anisan’ny fiarovana azo atao ny tsy mitapy masoandro betsaka loatra saingy tsy tena manala amin’izany aretina izany izy io fa miaro ihany. Izany no tokony hanatonana mpitsabo foana hahafahana mitily sao efa izy ny amin’ny vatana. Ny mifanohitra amin’izay ihany koa dia mety ho marina saingy ny fanadihadiana sy fanatonana mpitsabo hatrany no hamantarana izany.
Miora Raharisolo
