Dépêches

Fahasalamana : Ady amin’ny fanilikilihana no hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe

Dépêche 14 février, 13h, Isaky ny alatsinainy faharoa amin’ny volana febroary no hanombohana ny fankalazana izany andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe izany. Tamin’ity taona 2023 dia ny fanentanana ny olona tsy hanilikilika ireo izay manana izany aretina izany ny fankalazana. Haharitra hatramin’ny faran’ity volana ity izany fankalazana izany ary ny fampiatiana ny olona voan’ny androbe mba hanana fiainana tsaratsara kokoa toy ny olona rehetra no lohahevitra amin’izany fankalazana izany. Entanina araka izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga sy ny fiaraha-monina satria olona manana zo sy andraikitra tahaka ny olona rehetra izy ireo.

Laisser un commentaire