ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray nisandoka ho bevohoaka no nangalatra ny zanan’ny namany

Vehivavy iray antsoina hoe Magen Fieramusca no nanadalo teo alohan’ny fitsarana ny herinandro lasa teo noho ny famonoana ny namany akaiky Heidi Broussard, 33 taona sy ny Margot vao 3 herinandro monja. Tamin’ny taona 2019 no niseho io tranga io. Tsy hita popoka izy mianaka ireo ny 12 desambra rehefa avy nanatitra ny zanany iray hafa tao am-pianarana tao Texas.

Mbola teo alohan’ny tranon’i Heidi Broussard nefa ny fiarany tamin’io andro io ary hita tao an-tranony ihany koa ny taratasiny rehetra. Vetivety ihany dia nitodika tany amin’i Magen Fieramusca ny ahiahy izay nilaza fa bevoka ary teraka taorian’ny andro tsy nahitana azy mianaka. Nisy ny fisavana natao ka hita tao anaty « coffre » ny fiaran’i Magen Fieramusca vata-mangatsiakan’i Heidi Broussard.

Niaiky heloka i Magen Fieramusca ary nilaza fa nisandoka ho bevohoaka ihany koa. Manoloana izany dia nohelohina namono olona sy naka an-keriny io vehivavy io ka voaheloka higadra an-tranomaizina 55 taona.

Laisser un commentaire