Espagne : Nisehoana hain-trano indray, olona telo no namoy ny ainy
Olona telo, izay olon-dehibe ny roa ary zaza ny iray, no namoy ny ainy, ny alin’ny alahady ifoha alatsinainy, noho ny firehetan’ny trano iray tai Villajoyosa, any atsimon’i Espagne. Tao amin’ity tanàna ity izay vao nisehoana hain-trano namoizana ain’olona ihany koa, folo andro lasa izao. Olona 14 no niara-monina tao amin’ity trano ity. Ireo hafa ireo izay afaka nanavotra ny tenany soa aman-tsara raha vao nahita ny niandohan’ny afo. Ankoatra izay, nanampy tamin’ny fanavoatana azy ireo ihany koa ny polisy monina teo amin’ny manodidina.
