SocialTsidika

Ambohimangakely : Nahazo bodofotsy mafana ny zokiolona miisa 700

Nisy ny fizarana bodofotsy mafana miisa 700 ho an’ireo zokiolona ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hatsiaka tokoa mantsy isika amin’izao.

« Natao izao ho fitsinjovana ireo zokilona amin’ny maha raiamandreny azy ao anatin’izao andro ririnina izao. Efa hetsika fanao isan-taona ny tahaka izao ary hirariana hitohy hatrany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. « Manerana ny fokontany 18 ny fizarana no atao. Teto amin’ny EPP Soamanandrariny no nisantarana izany ary hitohy amin’ny fokontany sisa rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

Velom-pisaorana noho izao fitsinjovana azy ireo izao ireo ray aman-dreny ao an-tanàna. Hirariana hitohy hatrany izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire