Fandriam-pahalemana : Manao ny ezaka rehetra hiarovana ny zon’ireo varira ny fikambanana misy azy ireo
Maro ireo herisetra izay mianjady amin’ireo varira amin’izao fotoana izao. Hiady ho amin’izany no antom-pisian’ny Fikambanan’ny varira eto Madagasikara izay manana mpiara-miasa maro. Farany teo dia mifandrimbona amin’izy ireo indray ny ONG Miady ho an’ny Zo Maha Olombelona (TAM’ZO). amin’ny ady amin’ny fanilikilihana sy herisetra amin’ireto oloan ireto. Any Ikongo no nosafidian’izy ireo hiasana voalohany.
« Noho ireo olana maro mianjady amin’ireo varira ao amin’ity faritra Ikongo ity sy noho ny fahabetsahan’izy ireo ao amin’ny faritra no antony hiasana aty amin’izao fanombohana izao. Hanao hetsika fanofanana sy fanentanana ny mpiara-belona momba ny varira ao amin’ny Distrika izahay izay haharitra 18 andro. Hitohy amin’ny fampiofanana ny mpampianatra eny nivon’ny sekoly ihany koa izany », hoy ny avy ao amin’ny ONG TAM’ZO.
Marihina fa maro ireo antony mahatonga ny fanilikilihana sy ny herisetra amin’ireo varira ka izany indrindra no ilaina ny fiarah-miasan’ny tsirairay. « Finoanoam-poana ny fiheverana fa mahamasina ody ny fakana maso na fanaovana sorona zaza varira. Tokony hatsahatra izany ka maro ny fampiofanana sy fampahafantarana tokony hatolotra ny tsirairay. Mbola antom-pisian’ny fikambanana ihany koa ny ady amin’ny fakana an-keriny, fanesorana voamaso, ary ny fisian’ny ray aman-dreny sasany maniraka olona maka ny zanany noho ny tahotra na antony hafa », hoy ny filohan’ny Fikambanan’ny Varira eto Madagasikara, Ramiandrisoa Fulgence.
Efa misy vokany ny ady natao tao anatin’ny 10 volana, saingy mbola tsy tena fongana hatramin’ny farany izany. Efa misy ihany koa ireo fikambanana izay mandray vonjimaika ny varira, toy ny ao Farafangana ary tokony hiatrina manerana ny Nosy izany. Miandry ny fivorian’ny Antenimierampirenena manaraka kosa ny fanolorana ny volavolan-dalàna mirakitra ny fiarovana ny zon’ny varira.
Miora Raharisolo
