Jeu d’Échecs : Avy aiza tokoa no nipoiran’ity lalao ity ?
Ara-tantara dia efa tany alohan’ny taona 1500 tany no nisy ny Échecs. Mbola tsy fantatra mazava ny tena niavian’ny lalao saingy maro ny petra-kevitra momba izany. Teo anelanelan’ny taonjato fahatelo sy fahenina taorian’i Jesoa Kristy no niforonan’ny endrika voalohan’ny Échecs tao Asie. Mbola tsy voafaratra ihany koa ny toerana tena nipoiran’izany saingy iray amin’i Inde, Chine ary Asie centrale eo anelanelan’i Perse sy Ouzbékistan izany).
Tamin’ny taonjato fahenina kosa izy no tena nigadona tao Perse ary nitondra ny anarana hoe « Chatrang ». Nivelatra tamin’ny tontolo islamo tao Moyen-Orient izy taorain’izany ary nahitam-povoarana goavana. Tao an-toerana no nivoan’ny endriny ho lasa maoderina. Tonga tao Europe andrefana tamin’ny alalan’ny fipariahan’ny finoana silamo tao Afrique du Nord, Espagne ary Italie sy ireo firenena samihafa kosa ny Echec ary naka toerana tsikelikely. Nandritra ny « Renaissance » kosa no niova ny fitsipiky ny lalao, ary niova mitsipitsipika toy ilay endriny amin’izao fotoana ny Échecs.
Ho an’ireo Extrême-Orient kosa dia ny Echec nentin’i Chine antsoina hoe Xiangqi no nampiroborobo ny lalao tao an-toerana tamin’ny taonjato faha-10.
